Jeremia 32 : 27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

VAOVAO

VAOVAO ( MADAGASIKARA)

Sans titre

ANOSY : NISY NITORY INDRAY RA-CHICKY Efa fanindroany izao no voarohirohy tamin’ity resaka fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ity Rac-chicky, mpanankato anisan’ny manana ny maha-izy azy. Olon-kafa indray fa tsy ilay taloha akory ity niverina ity. Notorian’olona tamina resaka fanodinkodinana zaza tsy ampy taona indray mantsy Rac-chicky, izay mpanakanto manana ny maha-izy azy tokoa. Omaly hariva no nisamboran’ny mpitandro ny filaminana azy tetsy akaikin’ny Fiaro Ampefiloha taorian’ny fitoriana nataon’ny renin’ilay zaza azy. Ka araka ny fanazavàna azo avy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana dia hoe efa tamin’ny faran’ny herinandro teo iny no tsy nahitàna ilay zaza, izay voalaza fa saika hanaraka an-dRac-chicki any amin’ny faritany. Tokony ho dimy ambinifolo taona eo moa ity zazavavy ity, izay voalaza fa hoe tena niaraka tokoa izy roa araka ny nambaran’ny renin’ilay zaza. MAILO Noho io tsy fahitàna ilay zaza nandritra ny andro maromaro io anefa no nahataitra ny raiamandreniny ka nahatonga azy ireo hametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fanazavàna nomen’ny renin’ilay zaza ihany dia hoe nirahiny hividy zavatra ilay zaza kanjo tany dia tsy nipoitra intsony ka nampieritreritra azy ireo. Nambarany ihany koa fa nanomboka tamin’ny fampisehoana nataon-dRac-chicki tany Toamasina no niarahan’izy ireo. Tantara hafa mihitsy indray izany izy ity ka mbola tsy fantatra hoe inona indray no hatao lohateniny ? freedom_mdg@yahoo.fr