Andriamanitrin'ny fiadanana anie homba sy hiaro anao io mandrakariva.
FANASINA NyAVO & FANEVANJANAHARY

Indro tononkalo nofolesiko mangina
Tamin-tadina Fanahy nosinilaky ny ratra
Tam-bohitry ny nofy itselaram-binavina
Nefa nofinitsok’itsy ferim-batravatra !
Indro tononkalo notanehiko mangina
Tam-patan’ito vatana kila hotohoto
Ifandrotehan’irony vanditry ny Dina
Nantenain-kanito eritreri-misafoto !
Indro tononkalo noloarako tam-bata
Antaravelon’izaroa zava-nisy tetoana
Ahanjahanjan’ito bobongolon-tsata
Efa ringidringitra atsy an-dozo-pisentoana !
Indro tononkalo norantoviko naharitra
Tam-para hitsokitsoky ny felan-kirifiry
Mandazo fofon’aina hatsatra sy maritra
Tan-konahonan’ito Fianana mariry…
Inspired by freedomgino ! New york city cOpYrIgHt 2004
Ity tranokala ity dia novokarin'ny RAKOTONDRAMANANA Freedomgino sy ny E-MONSITE.com ho anao.
.Mbola hiezaka ny hanatsara sy hanavao lalandava ny tenanay , koa raha misy soso-kevitra na misy tianao haroso aty aminay dia aza misalasala mandefa izany amin'ireto adiresy mailaka ireto : freedomgino@tsenagasy.com / freedomgino@facebook.com
* COPYRIGHT 2002-2012 (+261)33 08 885 91 *
Créer un site gratuit avec e-monsite.com - Signaler un contenu illicite.
Commentaires (3)
1. BELLOUSKETRIK 19/08/2008
TONOKALON'BELLOUSKETRIK
FA NAHOANA MIITSY MOA
NO DE VOLA IRAY ALINA
NO ASEHO AN'I BELLOU
FA MANJARY MAHAFANINA
FA NGA TSY MISY ARIARY ROA
NA FARAFAHARATSINY,
SARIM-BEHIVAVY, TSY MIPATALOHA
MBA JERENA HAKANA FAFINY
FA LE VOLA IRAY ALINA
TSY MBA AZOKO ALAINA
KA TSY MAHAVIDY HANINA
MAHAKAMO MAMPALAINA.
FA RAHA TOA KA SARIN-TSIPA
NO ATAONAREO EO
FALIFALY I BALITA
KA ASA ANGAMBA IZAY MISEHO!
VITA TOMPOKO!!!!!
2. WALTE 25/05/2010
Tena mbo milay kosa le tonokalo io an






3. RAZAFINJATOVO 30/06/2010
tena milay kosa le tononkalo a! fa ato koa misy bobaka fa manao inscription fotsiny http://www.revenusemail.com?xyz=1812